Fahazato Taona LAA: 1908-2008 Lycée Andohalo Antananarivo Madagasikara

Fandraisana     Hanoratra ho anay     Fanoroam-pejy     Manokana     Sary     planning du centenaire     Daty ho tadidiana     Fanazavana fiadanana no a      
Culturel
Artistique
Sport
Histoire
Culte
teny fanolorana_note de p
Note de presentation

 

 

TENY FANOLORANA

           Naorina tao ambany avaratra kelin’ny Rova Manjakamiadana tao amin’ny toerana nantsoina hoe « Andohamasina » tamin’ny taona 1908 ny Lycée Gallieni. Feno 100 taona izy izany amin’ity taona 2008 ity.


           Ny hoe nahatratra ny faha- 100 taonany fotsiny aloha dia efa mendrika sahady fankalazana manokana sy manetriketrika, tsy fahita firy mantsy izany hoe feno 100 taona izany. Izay niaina tamim-pahendrena sy tamim-pahemendrehana ary nanana lalam-pianana tsara ihany no feno 100 taona. Matoa 100 taona izao ny Lycée Andohalo dia satria ireo no fianany. Tokony hatolotra azy ny mari-bononahitra sahaza izany tratry ny zato taona izany.


           Fa mbola misy koa antony hafa manamafy izany faniriana izany. Manana ny lanjany eo amin’ny tantaram-pirenena koa ny Lycée Andohalo. Na dia ny fijoronay ao amin’ny tanàna niorenan’ny Fanjakana Malagasy fahiny fotsiny aza dia efa manavaka azy amin’ny hafa rehetra. Tao Andohamasina tokoa mantsy no toerana nanasinana ny Mpanjaka taloha. Samy nanorina tao amin’io tanàna io ireo Andriana sy olom-baventy nifandimby, raha tsy hilaza afa tsy Andriamasinavalona izay nanao ny tsangambato nantsoina hoe “Vatomasina” tao avaratra atsinanana tamin’ny taona 1675. Teo no nanomezana ny Andriana merina taloha ny satro-bononahiny araka ny fomban-drazana.


            Io toeram-panatanjahan-tenan’ny Lycée Andohalo io no toerana mamin-dRadama sy ny menamaso sakaizany. Tao amin’ny Efitrano Filanonan’ny Lycée Andohalo no nanambarana ny Repoblika Malagasy voalohany.


            Etsy andanin’izany koa dia mpiray vodirindrina amin’ny ny Lapan’I Manjakamiadana, Andafiavaratra, ny Eglizy katolika, ny Eglizy anglikana, ny fiangonan’ny Misiona Protestanta, ny tranon’i Jean Laborde ny Lycée Andohalo.


            Ankoatra ireo lafiny ara-tantara ireo dia akany nahabe ny ankamaroan’ny olo-manga malazan’ny Nosy ny Lycée Andohalo. Maro tokoa mantsy ireo olona ambony sy olom-baventy izay mirehareha amin’ny fananany ity Lycée ity ho sekoly namolavola azy tamin’ny dingana faharoa. Tsy lazaina intsony ny famirapiratry ny voka-panadinana bakalorea vitan’ny mpianatry ny “Bahut” tamin’izany. Izany rehetra izany no niteraka ny maha-izy azy ny Lycée galliéni, izay Lycée ambony sy mihaja rahateo.

 
          Mbola misy antony hafa manamarina ny faniriana hankalaza amin’ny fomba manetriketrika ny faha 100 taonan’ny Lycée Andohalo, dia noho izy isany Lycée eto amin’ny Renivohitr’i Madagasikara. Izy koa no Lycée an’ny fanjakana niorina voalohany teto Madagasikara. Araka izany tsy ny Lycée an’Antananarivo na Lycée an’ny renivohitra fotsiny no feno 100 taona fa ilay Lycée voalohany teto Madagasikara no hankalaza ny faha 100 taonany. Ohatra ny hoe hankalaza ny faha-100 taonany ny zanaka lahimatoan’ny fianakaviambe iray.


         Ireo voalaza ireo no mahatonga ny Komitin’ny faha-100 taonan’ny Lycée Andohalo hankalaza amim-boninahitra ny faha-100 taona manaraka ny filamatra hoe “Fahaizana no tovoziko, Fiadanana no ampoiziko”, ho toy ny fihetsiketsehana tsy manam-paharoa.



NY TIANA HO TRATRARINA
Ny fanatsarana ny fanabeazana , indrindra eo amin’ny lafiny fampianarana sy fianarana no anton’ny hetsika rehetra mandritra ny fankalazana ny faha-100 taona.

TANJONA ANKAPOBENY
1. Hankalaza am-boninahitra ny faha-100 taona
2. Hanentana ny rehetra hanatsara sy hamerina ny hasin’ny Lycée Andohalo

TANJONA MANOKANA
1. Fankalazana
2. Fampahafantarana sy fiainana indray ny lasa
3. Fahazoana ny fon’ny tompon’andraikitra, ny namana rehetra eo amin’ny sehatry ny fanabeazana ary fifanomezan-tanana hamerina ny hasin’ny Lycée Gallieni Andohalo.

 


CELEBRATION DU CENTENAIRE 2008

Lycée Galliéni d'andohalo

Antananarivo

 Note de presentation

          Créé en 1908 à Antananarivo, dans un ancien quartier de la ville haute situé en aval du Palais de la Reine et appelé autrefois Andohamasina (Tête sacrée), le Lycée Gallieni d’Andohalo a atteint ses cents ans cette année 2008.


         Etre centenaire n’est pas une chose ordinaire. C’est la marque d’une longue, saine et sage vie. En effet, ce sont probablement ceux qui vivent raisonnablement, en suivant et respectant les règles de la vie qui ont le plus de chances de vivre cent ans. Ainsi, on peut assumer que si le Lycée d’Andohalo vit encore à cent ans, c’est parce qu’il a respecté ces règles de conduite. D’où cette aspiration à fêter son anniversaire d’une manière grandiose et unique.


         Mais d’autres faits et raisons justifient ce désir. Le fait d’être situé dans un quartier royal, fait du Lycée un lieu historique lui-même. En fait, Andohamasina était le lieu de consécration des rois. L’aménagement de ce haut lieu historique a été entrepris par plusieurs souverains et parachevé par le Roi Andriamasinavalona, qui a également érigé, en 1675, la pierre sacrée « Vatomasina », au Nord-Est. Ce fut en cet endroit que furent couronnés les souverains Merina, conformément aux rites ancestraux.


         En outre, le terrain de Sport du Lycée fut le lieu de prédilection du Roi Radama II (Souverain assassiné) et de ses amis les « Mena Maso » (ceux qui ont les yeux rouges). Ce fut également dans la salle de Fête du Lycée qu’a été proclamée la Première République de Madagascar.


          Par ailleurs, le lycée avoisine avec d’importants édifices tels le Palais de la reine, l’ex-Palais d’Andafiavaratra, une Cathédrale catholique, une Eglise anglicane , un Temple de la Mission Protestante et l’ancienne maison de Jean Laborde.


         A part ces faits historiques, le Lycée Andohalo fut également le berceau d’illustres personnalités. En effet, nombreuses sont les hautes et importantes personnes qui s’enorgueillirent d’avoir passé leurs études secondaires dans ce Lycée à l’allure majestueuse et souveraine. Sans parler de la renommée des exploits scolaires des élèves du « Bahut » relatifs aux résultats des examens du Baccalauréat...


         Ce sont sûrement ces faits, objet de fierté des anciens du Bahut, qui ont forgé cette image très positive du Lycée Gallieni qui est d’ailleurs qualifié - sûrement à raison- de Lycée de prestige.


          Une autre raison justifiant le désir de célébrer en pompe ce centenaire c’est le fait que le Lycée d’Andohalo est l’un des Lycées de la Capitale de Madagascar. En outre, il est également le premier Lycée public de Madagascar. Ainsi, ce n’est pas seulement un Lycée d’Antananarivo ou un Lycée de la Capitale qui a cent ans; c’est le premier Lycée de Madagascar qui va fêter ses cent ans. C’est en quelque sorte le centenaire du premier « fils » d’une très grande famille.


            C’est dans ce contexte que le Comité du Centenaire du Lycée Gallieni d’Andohalo voudrait marquer cet évènement d’une manière solennelle sous le thème « Fahaizana no tovoziko, Fiadanana no ampoiziko », en tant qu’évènement sans précédent.

FINALITE
La finalité des manifestations relatives à la Célébration du Centenaire s’inscrit dans le cadre de l’amélioration de la qualité de l’enseignement/apprentissage au sein du Lycée.

OBJECTIFS GENERAUX
1. Marquer solennellement le Centenaire.
2. Plaidoyer et développer une synergie d’actions auprès de tous les acteurs et sympathisants du secteur éducatif et du Lycée en vue d’obtenir leur adhésion pour la restauration et le rétablissement des valeurs d’antan et historiques qui faisaient le prestige de l’établissement.

OBJECTIFS SPECIFIQUES
1. Fêter l’évènement.
2. Retracer et faire connaître/revivre l’histoire du lycée.
3. Obtenir l’adhésion et le soutien de tous les acteurs et sympathisants du secteur éducatif et du Lycée pour la restauration et le rétablissement des valeurs d’antan et historiques qui faisaient le prestige de l’établissement.