« FAHAIZANA NOTOVOZIKO ,FIADANANA NO AMPOIZIKO »
Io no teny filamatra notsongaina tao anatin’ireo maro izay natolotry ny mpianatra indray mihira taona 2006-2007.Io no lanin’ny be sy ny maro izay samy nahatsapa fa tsy filamatra tongatonga ho azy io fa ilay tena votoatin’ny toe-panahy Malagasy hatramin’izay ka hatramin’izao. Iainan’ireo zaza navela ‘ valala mpiandry fasana’ ety ambony ety izany . Nitady toko tokoa ka sendra vato.
“fahaizana no tovoziko” hoy Andohamasina
“Fahaizana no ampoiziko” hoy Manjakamiadana
Maro tokoa ireo loharano tovozin-tsy ritra mameno ny tanana ankehitriny . Samy mahasarika tanora avokoa izy ireny. Fantaro ny zavatra rehetra ary azony mafy izay tsara .”Fahaizana no tovoziko” “Tariho lalana aho dia ampio, atataovy kely aho azafady” hoy ireo solofo menaky ny aina ho dimby rahatrizay ety Andohalo.
Fiadanana no nampoizin’ireo razana teto fahiny. Nampoizina : izany hoe , tsy ilay nahiana ka tsy mahagaga raha miseho fotsiny ihany fa ilay efa ao anaty ,mihizina ao am-po ka nifanarahana fa natao mahazaka amatorana ny fihavanana tsy ho rava . Koa na inona fanapahan-kevitra noraisina na inona raharaha natao dia izay iadanan’ny ambanilanitra no ampanjakaina.
Mbola io fiadanana io koa no nofikirin’ireo maritiora raha nisedra ny fahafatesana izy ireo , dia ilay fiadanana ho an’ny olona rehetra ankasitrahana. Vavolombelon’izany ireo fiangonana marobe mijoro manodidina ny LAA.
Efa tao ary tsy ho levona intsony ao am-pon’ny Malagasy , izany hoe ampoizina io fiadanana io .Raha nahazo ny fahaleovan-tena izy dia “Hiadana sy ho fianritra” no natao ho hiram-pireneny.
FIADANANA NO NAMPOIZIN’NY LAA;
FIADANANA NO AMPOIZIKO.